Marka 4:22-29 Malagasy Bible (MG1865)

22. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.

23. Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

24. Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

25. Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.

26. Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany

27. ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny

28. Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.

29. Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.

Marka 4