Marka 3:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.

12. Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

13. Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.

14. Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny

15. sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.

16. Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;

17. ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;

18. ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana

19. ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.

Marka 3