23. Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
24. Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?
25. Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,
26. fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
27. Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.
28. ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.