Marka 14:54-72 Malagasy Bible (MG1865)

54. Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.

55. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.

56. Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.

57. Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:

58. Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.

59. Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.

60. Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?

61. Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?

62. Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.

63. Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?

64. Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.

65. Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.

66. Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;

67. ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.

68. Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.

69. Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;

70. fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.

71. Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.

72. Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.

Marka 14