Marka 13:29-31 Malagasy Bible (MG1865)

29. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.

30. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

31. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

Marka 13