Marka 12:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.

2. Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.

3. Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.

4. Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.

5. Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.

6. Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

7. Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

Marka 12