Marka 10:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).

5. Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;

6. fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).

7. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;

8. ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.

9. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

Marka 10