1. Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2. Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3. Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?
4. Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).
5. Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6. fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).