Marka 1:36-40 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.

37. Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.

38. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanĂ na akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.

39. Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.

40. Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.

Marka 1