Lioka 9:9-26 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.

10. Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.

11. Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.

12. Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.

13. Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.

14. Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.

15. Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.

16. Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.

17. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.

18. Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?

19. Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.

20. Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.

21. Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona

22. ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.

23. Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.

24. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.

25. Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?

26. Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.

Lioka 9