Lioka 9:44-57 Malagasy Bible (MG1865)

44. Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.

45. Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.

46. Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.

47. Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;

48. ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.

49. Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.

50. Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.

51. Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.

52. Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.

53. Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.

54. Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?

55. Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.

56. Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.

57. Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.

Lioka 9