Lioka 8:50-56 Malagasy Bible (MG1865)

50. Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.

51. Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.

52. Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.

53. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.

54. Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.

55. Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.

56. Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.

Lioka 8