Lioka 8:38-42 Malagasy Bible (MG1865)

38. Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:

39. Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanĂ na izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.

40. Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.

41. Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.

42. Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.

Lioka 8