4. fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5. Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
6. Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.
7. Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8. Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.