32. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
33. Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
34. Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
35. Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
36. Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
37. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelĂ , dia mba havela ianareo;
38. omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39. Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
40. Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
41. Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42. Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.
43. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44. Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.
45. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
46. Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47. Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: