Lioka 4:38-44 Malagasy Bible (MG1865)

38. Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.

39. Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.

40. Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.

41. Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.

42. Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.

43. Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanĂ na hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.

44. Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.

Lioka 4