Lioka 3:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8. Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

9. Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.

10. Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?

11. Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.

12. Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra รด, inona no hataonay?

Lioka 3