48. Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
49. Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
51. Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanĂ nan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.
52. Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.