Lioka 23:38-52 Malagasy Bible (MG1865)

38. Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.

39. Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.

40. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?

41. Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.

42. Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.

43. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.

44. Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,

45. satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.

46. Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.

47. Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.

48. Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.

49. Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.

50. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.

51. Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.

52. Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.

Lioka 23