35. Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
36. Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
37. sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38. Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
39. Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41. Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42. Ary hoy izy: Jesosy รด, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.
43. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.