2. dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3. Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
4. Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity.
5. Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6. Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7. Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.
8. Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.