Lioka 23:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato,

2. dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.

3. Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.

Lioka 23