Lioka 21:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?

8. Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.

9. Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.

10. Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.

11. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.

12. Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.

13. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.

Lioka 21