36. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
37. Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
38. Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.