1. Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
2. ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
3. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
4. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5. Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6. Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7. Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra รด, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8. Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9. Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
10. Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12. Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;