Lioka 20:37-47 Malagasy Bible (MG1865)

37. Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).

38. Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.

39. Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.

40. Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.

41. Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?

42. Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana

43. Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).

44. Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?

45. Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:

46. Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,

47. ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Lioka 20