Lioka 2:25-36 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.

26. Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.

27. Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,

28. dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

29. Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;

30. Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,

31. Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,

32. Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.

33. Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.

34. Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina

35. ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.

36. Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,

Lioka 2