Lioka 18:36-42 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?

37. Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.

38. Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.

39. Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.

40. Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy

41. ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.

42. Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

Lioka 18