35. Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36. Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37. Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38. Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39. Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40. Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41. ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42. Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43. Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.