Lioka 18:26-34 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?

27. Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.

28. Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.

29. Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,

30. izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

31. Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.

32. Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany

33. ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.

34. Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.

Lioka 18