Lioka 16:12-16 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?

13. Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

14. Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.

15. Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.

16. Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.

Lioka 16