23. ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
24. fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25. Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
26. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.
27. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.