Lioka 15:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy.

2. Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.

3. Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:

4. Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?

5. ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;

6. ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.

Lioka 15