Lioka 13:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?

3. Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

4. Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?

5. Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

6. Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.

7. Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?

8. Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;

9. angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.

Lioka 13