Lioka 10:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanĂ na sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2. Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

3. Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia.

4. Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.

Lioka 10