72. Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73. Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
74. Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
75. Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
76. Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,