Lioka 1:68-75 Malagasy Bible (MG1865)

68. Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,

69. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy

70. (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),

71. Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;

72. Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,

73. Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,

74. Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,

75. Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

Lioka 1