66. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67. Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68. Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70. (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71. Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
72. Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73. Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,