65. Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
66. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67. Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68. Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70. (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),