Lioka 1:46-61 Malagasy Bible (MG1865)

46. Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,

47. Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;

48. Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.

49. Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.

50. Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

51. Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.

52. Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.

53. Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.

54. Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony

55. (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.

56. Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.

57. Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.

58. Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.

59. Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.

60. Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.

61. Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.

Lioka 1