Levitikosy 9:22-24 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.

23. Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.

24. Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.

Levitikosy 9