Levitikosy 9:2-12 Malagasy Bible (MG1865)

2. Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.

3. Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,

4. ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.

5. Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.

6. Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i Jehovah.

7. Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.

8. Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.

9. Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;

10. fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;

11. ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.

12. Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

Levitikosy 9