10. fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;
11. ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
12. Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
13. Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasà na azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
14. Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.