Levitikosy 9:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.

2. Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.

3. Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,

Levitikosy 9