12. Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
13. Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
14. Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
15. Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
16. Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
17. Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
18. Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
19. Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
20. Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
21. Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22. Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
23. Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
24. Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
25. Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
26. Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
27. Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.