Levitikosy 6:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

9. Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.

10. Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.

11. Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.

12. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

13. Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Levitikosy 6