6. Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
7. Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
8. Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9. Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
10. Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.