Levitikosy 6:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.

3. Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.

Levitikosy 6