Levitikosy 4:35 Malagasy Bible (MG1865)

Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

Levitikosy 4

Levitikosy 4:34-35