1. Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.
2. Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3. Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4. sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.